kolontsaina

Tarika Ny Ainga Miala any ny « Vaky sehatra 2018 »


  • Talata 06 Martsa 2018

Raikitra ! Ny tolakandron’ny Alatasinain’ny Paska 02 aprily ho avy izao, etsy Antsahamanitra, no hanatanterahana ny seho goavana “Vaky sehatra 2018” ho an’ny tarika Ny Ainga. Fomba amam-panao efa lasa fotoam-bita ho an’ireo Mpankafy ny “Vazon’ny tanàna” sy ity tarika tsy mihira fitiavana fa ampihirain’ny fitiavana ity ny seho “Vaky sehatra” . Ankoatry ny fivimbinan’ny tarika ireo “Vazo milay” efa fantam-bahoaka hisy ihany koa ny fihirana ireo hira vaovao toy ny “Izaho vadinao”…


Hampiavaka ny “Vaky sehatra 2018”, hoy ny avy ao amin’ny Manj’Art prod mpiketrika ny fampisehoana ny fampîvelarana azy ity amin’ny alalan’ny fandraisan’anjaran’ireo mpanakanto maro be ny tapany maraina hanomboka amin’ny 10 ora . Anisan’ny hanafana ny sehatra ny tarika Suspens, Tempo Gaigy, tarika Miandry, Lay, Hasina, Parson Jacques, Boboh Mahavanona. Ireto tarika ireto izay samy nampanantena fa hisakelika vazo vaovao be avokoa. Ny hampifanakaiky kokoa hatrany ireo Mpankafy sy ny “Vazon’ny Tanàna” ary ny hampahafantatra amin’ireo liankanto eto an-tanàna fa misy ny gadona hafa azo ialana voly tsara ihany koa jarian’ireo mpanakanto eto Iarivo. Ireo no tanjona, hoy i Feno mpitarika ny Manj’Art Prod. Hitohy amin’ny fitetezam-paritra any Antsirabe, Tsiroanomandidy ary Alaotra ny hetsika ho amin’ny fanandratana hatrany ny “Vazon’ny Tanàna”.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT