kolontsaina

Tarika Ny Ainga Iray ihany fa tsy mivaky


  • Alarobia 21 Martsa 2018

Tonga nampahafantatra ny seho voalohany amin’ity taona ity tetsy amin’ny Espace Telozoro Andrefanambohijanahary ny tarika Ny Ainga omaly.

 

 Manjary Prod sy ny Espace Soatiana no mikarakara ity hetsika ity. Nohazavaina tao ny rindran-damina rehetra. Fantatra fa hotanterahina  etsy Antsahamanitra amin’ny 2 aprily alatsinain’ny Paska amin’ny 3 ora tolakandro ny vaky sehatra. Ny tapak’andro maraina kosa dia  any Imerintsiatosika izy ireo ary ny tarika Tempo Gaigy  no handimby  rehefa hihazo an’Antsahamanitra ny tarika Ny Ainga. Misy ihany koa ny rakikira vaovao roa, hira fiderana sy hira tsotra, hamidy eny an-toerana ankoatra ireo fahatsiarovana hozaraina. Nanamafy kosa Rabesaiky Luc, mpitarika  fa iray ihany ny tarika Ny Ainga fa tsy mizarazara ary manana ny sata mifehy azy manokana sady mitsangana ara-panjakana.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT