kolontsaina

Tarika Nisaina Mavo Lamba , Rebika Namaly ny antson’ny FITRAMA amin’ilay fambolen-kazo


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Efa manao totoafo sahady ireo tarika, fikambanana, malala-tanana namaly ny

 

antso nataon’ny tale jeneralin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA sady filoha nasionalin’ny Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina mikasika ilay fambolen-kazo goavambe hotanterahiny. Ho an’ny mpihira ohatra dia anisan’ny efa namaly ny antsony ny tarika Nisaina Mavo lamba, ny tarika Willy, ny tarika Rebika izay hanome tanana sy hanao fampisehoana eny an-toerana. Efa nisy nanolotra omby iray sy fotsim-bary 20 kitapo ihany koa hatao sakafo manomboka ny 26 desambra ho avy izao ka hatramin’ny 30 desambra hanaovana ilay fambolen-kazo any amin’ny PK 67 Soaniedanana, distrikan’Ankazobe. Ankoatra izay moa dia tera-tany Malagasy maro avy any Toamasina sy Toliara ihany koa no efa nanoratra anarana ho avy handray anjara amin’izany hahafahana manambatra ny hery amin’ny fiarovana sy ny fikajiana ny tontolo iainana mba ho tombontsoa ho an’ny taranaka faramandimby. Zana-kazo azo havadika ho fanafody toy ny mandrava sarotra, ny andramena, ny ravintsara… moa ny 80 %-n’ireo hazo hovolena mandritra izany ka zana-kazo miisa 10.000 hatreto no efa vonona. Tsiahivina moa fa ho avy maro ihany koa ireo mpihira gasy sy fiarahamonim-pirenena ary hery velona maro samihafa ankoatra ireo ambaratongam-pahefana maro efa nandefa taratasy toy ny eo anivon’ny primatiora, ny Ministeran’ny tontolo iainana,

. Pati

Legende : Izy no lehiben’ny tarika Nisaina Mavo lamba.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT