kolontsaina

Tarika Ndondolah sy Tahiry tetsy Antsahamanitra Nafana tao anaty hatsiaka ny fanamarihana ny faha-20 taona


  • Talata 22 Mey 2018

Anisan’ireo hetsika Alatsinain’ny Pantekoty 2018 notontosaina teto Antananrivo ny seho fanamarihan’ny tarika Ndondolah sy Tahiry ny faha-20 taonany.

 Azo ambara fa nafana tao anatin’ny andro mangatsiaka ny ambiansa teny an-toerana fa nampihetsiketsika fatratra an’ireo mpankafy tonga nanatrika ny gadona mihetsiketsika mampalaza ny tarika izay niforona 20 taona lasa tany Mahajanga. Saika heno tao amin’ity fampisehoana ity avokoa ireo hira nampalaza ny tarika tamin’ny fotoanandrony niampy an’ireo vao noforonin'i Ndondolah taorian’ny nandehanan’i Tahiry tany Andafy ka nohirainy niaraka tamin’i Cristina sy Lucia ary koa izay nomeny ho hirain’i Melky. Niavaka tanteraka ny niseharan’ity mpanakanto farany ity izay anisan’ireo nasain’i Ndondolah sy Tahiry manokana niaraka tamin’i Syril sy Miora kopy kolé Tahiry 2017.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT