kolontsaina

Tarika Manan’ara Hanandratra ny maha Malagasy


  • Talata 24 Aprily 2018

Vao 2 taona monja izao no niorenan’ny tarika Manan’ara. Mpilalao mozika nentim-paharazana miangaly irony ba gasy irony ry zalahy ireto ary ahitana an’i Tiana Heroda sy Zaka kely sy Tah Manana ary Rado kely.

 Raha ny fanazavan’i Tah Manana, isan’ny mpikambana mpanorina ny tarika, dia avy any amin’iny faritra atsinananan’ny nosy iny no nipoiran-drizalahy ireto ary niainga tamin’ny reniranon’i Mananara no nahatonga ny anaran’ny tarika. Manana tanjona ny hanandratra ny maha Malagasy amin’ny alalan’ny mozika sy hitondra anatra anatin’izany ny tarika ary eo am-pamolavolana ny rakikira faharoa ankehitriny. Mbola tanora dia tanora avokoa ireo mpikambana, hoy hatrany ny fanazavana, ary tsy manana trano famokarana manokana fa mivelon-tena na ilay antsoina hoe “auto prod”. Tsy manda fiaraha-miasa na amin’iza na amin’iza kosa anefa. Gitara ranofotsiny kosa  no itondran-drizalahy ireto ny reviny.

 

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT