kolontsaina

Tarika Mahaleo Notolorana mariboninahitra ambony


  • Zoma 26 Martsa 2021

Tontosa omaly 25 martsa ny fanoloran’ny fitondram-panjakana ny mari-boninahi-pirenena ambony indrindra dia ny

 

 

  « Grand-Croix de 2ème Classe de l’Ordre National Malagasy » ho azy telo lahy mbola velona ao amin’ny Tarika Mahaleo sy ny “archiviste”-n’izy ireo, araky ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina avy amin’ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo. Notolorana izany i Rabekoto Honoré Augustin na i Bekoto, Andrianaivo Charles Bert, Rasolofondraosolo Zafimahaleo na i Dama, ary Razafimamonjy Jean Baptiste. Tonga nanolotra izany, amin’ny anaran’ny Filohan’ny Repoblika, ny Grande Chancelière de l’Ordre National Malagasy Madeleine Ramaholimihaso. Notolorana ny mari-boninahi-pirenena « Commandeur de l’Ordre National Malagasy » kosa Andriamamonjy Narivony. Nanolotra izany, amin’ny anaran’ny Filohan’ny Repoblika, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Manaja ny an-tanatohatry ny mariboninahi-pirenena izay efa azon’izy ireo izao fanandratana izao. Tonga nanotrona ny lanonana ireo fianakavian’izy ireo sy ireo mpanakanto naman'izy ireo. Manamarika zavatra maro ho an’ny firenena Malagasy ny Tarika Mahaleo, izay efa miditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonany amin’izao fotoana izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT