kolontsaina

Tarika Mahaleo Nandao ihany koa I Charles


  • Zoma 06 Aogositra 2021

Misaona indray ny tarika Mahaleo satria dia nodimandry omaly teo amin’ny faha 67 taonany I Charles Bert Andrianaivo, fantatry ny mpankafy ny tarika Mahaleo amin’ny hoe Charles.

 Notsaboina tetsy amin’ny Hopitaly HJRA izy, ary coronavirus no nahalao azy. Mpively aponga maro anaka teo anivon’ny tarika izy, mpanao gazety, mpahaifiarahamonina, mpanakanto, vakoka velona teo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy raha I Charles ary dia mandia fahabangana goavana indray noho izany ankehitriny ny tarika Mahaleo, izay efa mananika ny faha-50 taonany. Mpitantana ny sampan-draharaha tsy miankina amin’ny fanjakana na ONG antsoina hoe SICAF, izay mifantoka amin’ny tontolo ambanivohitra ao Ampefy ao ihany koa i Charles koa izy fony fahavelony. Ny 25 martsa teo moa ny tenany sy ireo ankanga sisa nanamborana tao amin’ny tarika no nosalorana ny mari-boninahitra “Grand croix de deuxieme classe” sy “ordre national Malagasy”. Namela kamboty 3 mianadahy sy mpitondra tena moa izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Araka ny nambaran’I Bekoto, izay isan’ireo akanga sisa nanamborana ao amin’ny tarika moa dia tsy hamoron-kira vaovao intsony izy sy I Dama ary ny hiran'ny Tarika hatrizay dia mijanona ho fananan'izy ireo sy ny mpandova azy. Nampihetsi-po ny antso nataon’ireo zanak’I Charles ao amin’ny tarika Mahaleo izay nanentana ny mpankafy ny tarika tsy an-kanavaka mba hitendry gitara eny amin’ireo toerana misy azy rehetra ho fahatsiarovana ity oloben’ny mozika Malagasy ity. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT