kolontsaina

Tarika MAGE 4 Hiangaly ny hiran-dry Bon Jovi, The Police ary Metallica


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Dome RTA Ankorondrano ny tarika Mage 4 amin’ny zoma 21 desambra ho avy izao, izay ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely.

Hanomboka amin’ny 8 ora hariva ny lanonana ary haharitra ora efatra eo ho eo. Hiavaka tsy ho toy ny mahazatra anefa izany, raha araka ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Hindrana ny hiran’ireo mpanakanto kalazalahy amin’ny gadona rock avy any Eoropa sy ny  manodidina mantsy izy ireo ka anisan’ireny ry Scorpions, Europe, Toto, Queen, The Police, Bon Jovi ary Metallica. Hira manodidina ny 40 no hiangaliany mandritra izany hanomezana fahafaham-po ny mpankafy amin’ity andiany faharoa ity. 80.000 Ar no vidim-pidirana ho an’ny VIP, raha 40.000 Ar kosa ny famandrihan-toerana. Ny Ivenco no hikarakara ny lanonana izay mampanantena fialam-boly mahafinaritra be ho an’ny  mponin’Antananarivo renivohitra no sady handray andraikitra feno amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana ihany koa. Efa fantatra hatrany ny fahaiza-manaony ny amin’ny famokarana mpanakanto sy fikarakarana hetsika isan-karazany ary fahaiza-mifehy ny haingon-tsehatra sy ny hazavana ary ny fanamafisam-peo. Mpanohana ofisialy kosa ny orinasam-pifandraisana Airtel izay marihina fa efa mpiara-miasa amin’ny Ivenco hatramin’ny taona 2018. Hitohy hatramin’ny taona vaovao 2019 ho avy io ny fiaraha-miasa entina hanomezan-danja ireo mpanakanto  Malagasy tsy ankanavaka.

Pati sy Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT