kolontsaina

Tarika Mage 4 Hanohy ny tantarany


  • Sabotsy 07 Aprily 2018

Hiavaka ny fampisehoana izay hatolotry ny tarika Mage 4 etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny 22 aprily ho avy izao raha ny fanazavana faramparany azo avy amin’ny tarika omaly tetsy amin’ny Kudeta Anosy.

 

 Haverina avokoa ireo hira nampalaza ny tarika tao anatin’izay 25 taona nisiany hatramin’ny taona 1992 izay no ho mankaty. “Valin’ny ditra”, “Taratasy farany”, “Maratra hambom-po” ka hatraty amin’ny “Lafatra” dia hiverina hanakoako avokoa amin’io fotoana io.  Efa natomboka tamin’ny volana aogositra 2017 moa ny fankalazana izay tsingerintaona izay ary ity etsy Mahamasina ity izany no ho famaranana amin’ny fomba manetriketrika, raha ny fanazavan’ireo mpikambana. Raha tsiahivina fohy, ny nahatonga ilay anarana Mage 4 dia noho ny fahataran’izy ireo nanatrika sasakalina indray desambra tamin’ny fotoan’androny. Izany hoe toy ilay magy afrikanina faha-3 izay tsy nahita afa-tsy ny namantsihana an’i Kristy. Sambany no hiakatra ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ny tarika ary ho raitra, hoy izy ireo, ny fanamafisam-peo sy ny jiro. Halalaka koa ny sehatra satria vonona hanohy ny tantara ny tarika.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT