Tarika Johary

Hampiseho ny «Te ho show»


  • Talata 27 Aogositra 2024

ny alin’ny zoma 30 aogositra izao no fotoana miaraka amin’ny tarika Johary etsy amin’ny La City Ivandry

ao anatin’ny seho nampitondrain’izy ireo ny lohateny hoe «Te ho show». Hampiseho fa «Te ho show» na koa te hiseho, arak izany, ny tarika, raha ity tsilalaonteny nampiasainy niainga tamin’ny hiran’izy ireo mitondra ny lohateny hoe «Te ho soa» ity. Ao anatin’ny antsoina hoe zavakanto daholo moa izany rehetra izany fa ny Johary ve tsy ho Johary, araka ny nahafantarana azy hatramin’izay ihany, hoy ny fanontaniana isan’ny apetrak’ireo mpankafy? Toy ireo heverina hoe tarika mpiangaly mozika naman’ny zokiny rehetra ihany nefa dia tsikaritra ihany koa fa nitondra fihavaozana ao anatin’ireo fitaovana na «instrument» miasa ao anatin’izay fiangaliana ny mozika nahafantarana azy izay ny tarika. Eo ny gitara, ny vatamaroafitsoka, ny aponga sy ny tariny rehetra saingy nasiana kitika ankehitriny na maoderina kosa. «Te ho soa», «Ho avy», «Soava», «Aloka» sy ny tohiny rehetra iny, eny Ivandry izany no hifampitaona ireo izay te hahita ny andinindininy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT