Tarika Iray Fy’Art

Hitohy eny Ambatomirahavavy ny seho


  • Alakamisy 31 Aogositra 2023

Hitohy eny Ambatomirahavavy indray ny seho hotanterahin'ny tarika Iray Fy'Art. Hatao ny sabotsy 9 septambra izao

izany eo amin'ny kianjan'ny CEG eny an-toerana manomboka amin'ny 1 ora sy sasany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Holalaovin'ireto mpilalao tantara amin'ny radio ireto eny an-tsehatra amin'izany "Ny herin'ny vola", nosoratan'i Niravo Randria. Ahitana taratra ny fiainana andavanandro ifanjevoan'ny fitiavana sy ny vola aman-karena. Ny haratsian-toetra samihafa nefa koa hampitana hafatra sy hanabeazana ny sokajin'olona rehetra. Ho hita eny anelanelany eny koa anefa ny fampihomehezana sy hatsikana. Haneho ny talentany sy ny fahaiza-manaony amin'izany Rakoto, Faly, Synèse miaraka amin'i Niravo sy i Antsaravaka. Hisahana ny lafiny teknika sy ny fandrindrana an-tsehatra ary ny fanentanana kosa, i Bruno Rakotomalala. Etsy andaniny, hifanindran-dalana amin'izany ny hira gasigasy amin'ny feo mangan'izy ireo sy ny fitendren'i Synèse sy i Faly zavamaneno. Hiaka-tsehatra ary nasaina manokana amin'izao seho tanterahin'ireto mpilalao tantara amin'ny onja-peo ireto ny rindran-kira iarahana amin'ny Groupe Mi-Antsa sy ny Ir'Art. Tsiahivina fa hitohy eny amin'ny fiangonana katolika Manankasina indray ny seho ataon'ny Iray Fy'Art, ny 25 septambra, aorian'ny eny Ambatomirahavavy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT