kolontsaina

Tarika Iraimbilanja Hitondra ambiasy varatra adin’ny telo


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Hitondra ambiasy varatra adin’ny 3 na hoe « ambiance électrique » etsy amin’ny Aire du By pass indray anio alina ny tarika zokibe mpiangaly ny Rock malagasy,

 Iraimbilanja, hoy ny mpikarakara ity hetsika Cabaret atao eny an-toerana ity. Araka ny fanazavana dia ireo vazo tsara indrindra nahafantarana ny tarika hatramin’izay no hentin’izy ireo manafana ity alina ity eny an-toerana. “Ilay mosara”, “Zavavy”, “Radio”, “Rahosijamba”, “Tao an-tsekoly” sy ny hafa marobe, araka izany, no hanakoako eny an-toerana. Takarivan’ny zoma rahateo ka inoana fa ilaina ny miala voly kely taorian’izay herinandro somary navesabesatra izay, hoy hatrany ny fanentanana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT