kolontsaina

Tarika Haja Ny Kanto Hidera an’Andriamanitra amin’ny kolontsaina sy soatoavina Malagasy


  • Zoma 29 Aprily 2022

Nampahafantarina omaly tetsy Anosibe ny fahaterahan’ny antoko mpihira ara-pilazantsara antsoina hoe Haja Ny Kanto.

Anio 28 aprily 2022, hoy ny fanazavana, no nofidiana hampahafantarana ny fisian’ny tarika izay ahitana an’I Ifaliana sy Hobiana na Rahajasoa Sitrakiniavo Hobiana sy Rahajasoa Tahian’ny Avo Ifaliana. Natao nifanena amin’ny fanamarihana ny faha 15 taonan’I Ifaliana koa izy ity, izany hoe ho fanomezana noho ny tsingerintaonany, hoy ny mpiahy ny tarika sady rain’izy roa vavy, Rahajasoa Honoreee. Haja ny kanto satria ilay kanto no natao hanome haja ireto mpanakanto ireto. Malaza amin’ny sehatry ny zavakanto ary manana ny mampiavaka antsika amin’ny sehatry ny kolontsaina sy soatoavina isika Malagasy. Amin’ny alalan’izay kolontsaina sy soatoavina Malagasy izay no ho entin’ny tarika hiderana an’Andriamanitra, araka ilay tenin’ny mpanakanto Rija Rasolondraibe hoe izay momba ahy rehetra Jesosy no hiderako anao, hoy hatrany ny tarika. Niara-navoaka tamin’iny omaly iny koa moa ny tsangan’asa voalohan’ny tarika miaraka amin’ny rakitsary mitondra ny lohanteny hoe “Anarana masina”.

J. Mirija
 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT