Anisan’ny fampisehoana goavana indrindra ny seho nataon'ny tarika AmbondronA omaly tetsy amin'ny Coliseum Antsonjombe ity. Matihanina tamin’ny lafiny rehetra ny seho :
raitra dia raitra ny jiro sy ny hazavana, ny lafiny teknika nahafa-po ny mpijery, tena raitra ny feo,… Tsara ny fanomanana ary niasa mafy ny ekipa rehetra. Tena nampiavaka an'ity fampisehoana omaly ity ihany koa dia ny fomba fampitàna mivantana ity fankalazana ity tamin'ny alalàn'ny tambazotra serasera Facebook. Tena tafahaona ny tia sy ny manina, feno hipoka Antsonjombe, afaka nisitraka ny seho tamin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta ny rehetra. Na ny Malagasy mponina any ivelany, na ireo tany amin'ny faritany mantsy dia nigoka ary toy ny hoe teo amin'ny Coliseum mihitsy aza, ari-fomba tanteraka ny fampitàna mivantana, tsy nisy tapaka ny horonantsary, tsy hambakan’izany ny "Vue aérienne" tamin'ny alalan'ny "Drône" izay nampita tamin'ny facebook ny horonantsary rehetra. “Toraka voninkazo ho an'ny mpikarakara. Ho ela velona ny tarika”, hoy ny fanehoan-kevitra. Noredonin-dry Kiks, Beranto, Honty, Blanc, Ranto niaraka tamin’ireo mpankafy efa manodidina ny 35 000 ireo hira nanamarika ny 20 taona nifampizarana ny soa sy ny kanto toa an’i Tsy adala, eny sa tsia, ampy ahy, eo foana, …Noporofoin’ity tarika ityindray mandeha indray fa tena matihanina sy tia manolotra zavatra tsara ho an’ny mpankafy izy ary mbola hitohy anya mina faritra maro ny fanamarihana ny faha 20 taona fa santatra ihany ny teny amin’ny Coliseum omaly.
MAHAVITA ZAVATRA NY MALAGASY
Porofo iray mivaingana ny seho nataon’ny tarika Ambondrona omaly, fa mahavita zavatra tsara ny malagasy. Ireto tarika ireto dia porofo velona amin’izany. Hafa raha samy tarika ry zalahy ireto, tena niady sy nihafy ireo vao tonga tamin’izao toerana izao ary tsy mba niovaova tamin’ny foto-pisainany. Niezaka nianatra sy nikaroka foana, tsy mba nanao « matraquage » be fahatany, tsy nanenjika namoaka hira sy « album ». "Tsy adala”, izay ilay hira voalohany nanomboka tena nankafizan'ny olona an'Ambondrona 2001. “clip” izay nahodina teny amin’ny Gara Soarano, “sao heverinao adala aza aho”,… izay ahatarafana sy hahatsapana ny fivoarana sy ny ezaka lehibe teo amin’ny tarika rehefa manao jery todika aty aoriana. 20 taona efa manoratra ny tantaran'ny mozika Malagasy ry zalahy, ary mipetraka hatrany ho isan’ny tarika goavana nanoratra ny anarany teto Madagasikara, eny fa hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.