kolontsaina

Tarika Ambondrona Namoaka ny “Ho soa hatrany”


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Pho resto Ampasamadinika ny rakikira

 



faha 7n’ny tarika Ambondrona nampitondrain’izy ireo ny lohateny hoe “Ho soa hatrany”. Araka ny fanazavan’i Beranto, isan’ny mpikambana eo anivon’ity tarika mpiangaly ny Pop rock Malagasy ity dia lalana iray hirosoan’izy ireo ho any amin’ny fankalazana ny faha 20 taonan’ny tarika amin’ny taona 2021 sy ny hoavy rehetra izy io. Nikasa hanao fampisehoana tao amin’ny Coliseum ny tarika ny volana aprily teo saingy niaraha-nahalala ny zava-nisy vokatry ny krizy ara-pahasalamana niandoha tamin’ny martsa. Voatery nahemotra noho izany ny seho ary nomarihin’ny tarika moa fa mbola manan-kery ireo tapakila efa lafo fa miandry ny fotoana maha mety azy hanatontosana ity fampisehoana eny Antsonjombe ity. Isan’ny sedra nolalovana mampitombona ny lohatenin’ity rakikira izay isan’ny nisedra fihibohana tany am-pitan-dranomasina nokasaina havoaka tamin’io fotoana io ity izany. Ny taona 2001 no nitsangana ny tarika. 2002 no namoaka ny “Ilay tanana” ary efa ny taona 2013 no namoaka ny rakikira faha 6 hoe “Havaoziko” ka efa tsy nieritreritra hamoaka kapila intsony ny tarika nanomboka teo fa hivelatra amin’ny teknolojia amin’ny alalan’ny “streaming”. Noho ny fangatahan’ny mpankafy anefa dia navoaka ihany ny “Ho soa hatrany” izay ho hita eny amin’ireo Shop Telma manerana ny nosy sy ny Pho Resto rehetra manomboka ny alakamisy izao. Azo jifaina amin’ny alalan’ny www.ketrika.com koa anefa izany, raha ny fanamarihana hatrany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT