Tarika AmbondronA

Efa tena ao am-pon'ny mpankafy


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Tahaka ny teny amin'ny Arabe, sahala ny tamin'ireo fampisehoana

rehetra na teto an-toerana na tany ivelany. Nafana, ampoka vazo kanto, naredona ny fampisehoan'ny tarika Ambondrona teny amin'ny CCI Ivato omaly tolakandro. Nanome hatrany ny kanto indrindra avy any amin'izy ireo ry Kix, Beranto, Ihonty, Blanc, Ranto. Tena nankafizin'ny mpijery ireo hira taloha, efa tsy afaka am-bavan'ny maro koa anefa ireo hira vaovao.Santatra am-bavarano ity omaly ity fa mbola ho maro ny fampisehoana amin'ity 2024 ity.Nanaporofo hatrany ny tarika AmbondronA fa manana ny toerany efa tsy azo hozongozonona intsony eo sehatry ny mozika eto Madagasikara, ary afaka mitety vanim-potoana .Anisan'ireo tarika miezaka manome ny mpankafy azy zava-baovao, tsara kalitao, manaraka ny fivoarana sy matihanina hatrany ry AmbondronA .Tsikarika omaly teny Ivato fa misy tamin'ireo mpanaraka ny tarika efa nanomboka ny taona 2003 no niaraka tamin'ireo zanany izay efa lasa mpankafy AmbondronA ihany koa.
Nangonin'i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT