Tarika AmbondronA,

"25 taona isika"!


  • Alakamisy 05 Martsa 2026

Hosokafana amin'ny seho lehibe eny amin'ny La City Ivandry

Hanokatra ofisialy ny fankalazana ny faha-25 taonany, tarika mihira Malagasy isan'ny tena manana ny lazany sy manana ny toerana lehibe eto Madagasikara. Niforona ny 2001, mpiralahy, nifanakaiky, mpifanolo-bodirindrina,... no nivondrona, nisafidy ny anaran'ny tarika ho anaran-tanana. Rakikira 7 no vita (audio), ary nivelatra tamin'ny antsoina hoe Aire streaming toy ny amozon music, application music taty aoriana izay nanentanan'i Beranto mba hijery azy ireny satria misy "royalties" raisina rehefa misy mihaino izy ireny. Nanao fitetezam-paritra tendro ka hatrany ambany, tany atsinanana ka hatrany andrefana. Nitety faritra tsy nijanona, nandritra ny covid-19 ihany no nisy fiatoana, hoy ny famintinan'i Beranto. Ny tsy nety vita, dia tany SAVA sy Fort Dauphin noho ny lalàna, saingy fanamby ny ho any amin'ity. Tany ivelany : Canada, Etazonia, Europe, Afrique du Sud mondial 2010, Maurice la Réunion,... Nampitondraina ny hoe: "25 taona isika", tsy izahay irery intsony fa eo ny mpankafy, hoy hoy i Beranto. Hankalazaina hatramin'ny 2027 satria hisy fanokafana, ivony, famaranana. Tsy ho voatety amin'ity taona ity ireo nilalaovana rehetra, izay ezahana ny hitety azy ireny ka antony hitohizany hatramin'ny 2027. Hanokafana azy ny seho etsy amin'ny La City Ivandry ny 6 sy 13 martsa, ka izay nanamarika antsika rehetra no hampianina an-tsehatra, hoy ry Ambondrona. Hiainga avy eo ny fitetezana toa ny any Betafo, Ambatondrazaka, Imeritsiatosika, Sabotsy Namehana, Antsirabe, Toamasina, Mahajanga,... Ny volana fivoahana voalohany Canada sy Etazonia, Frantsa izay hisy seho ihany. Tapanybfaharoa ny tourné européen : Allemagne, Belgique, ireo nosy rahavavy,... Hiezaka ihany ny Tarika hamoaka ny antsoina hoe "IP Album" mety hisy hira 5 na 6. Tamin'ny lafiny mahaolona, efa Ambasadaoron'ny CNLSkn momba ny ady amin'ny VIH/ SIDA, Ambasadaoron'ny UNICEF, ONN ho an'ny fanajarian-tsakafi, ny resaka fiahiana ny kamboty orphelinat,.... Nahangona 30 tapitrisa Ar ny Tarika tamin'ny fizarana Kits scolaires ho an'ny mpianatra sahirana.

Isan'ny adidy hoentina amin'ny maha olom-pirenena ny seho eny amin'ny Parvis Kianja Barea ny 8 martsa izao, ka haompana manontolo ho tolo-tanana ho an'ny traboina ao Toamasina ny vola. Hisy laharana Airtel Money ho an’izay te hanampy bebe kokoa, ary hisy toerana handraisana fanampiana hafa. Nanohana maimaimpoana Miritsoka, VondronaVidy Varotra, Kolo TV, Dreamin,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT