kolontsaina

Tarika Alalà avy any Angoulème Frantsa Hanao fitetezam-paritra eto Madagasikara


  • Zoma 01 Desambra 2017

Nambara tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Kudeta etsy Anosy omaly alarobia 29 novambra, ny hanatanterahan’ny tarika Alalà avy any Angoulème, ahitana mpikambana marolafy 5 (Madagasikara, Frantsa, Colombie, Guinée) ao anatiny, fitetezam-paritra eto Madagasikara na

 

 “Madagascar tour 2017” hanomboka any Toliara amin’ny 2 desambra izao handalo ao Fianarantsoa ny 7 desambra 2017, ao Antsirabe ny 8 desambra ary hipaka eto Antananarivo amin’ny 13 desambra 2017. Tarika niforona tany Angoulème Frantsa tamin’ny taona 2013 ny Alalà ka mivohy ny mozika “Afro-folks” amin’ny ankapobeny. Ny mozika Malagasy misy tonony amin’ny teny Malagasy no ezahan-dry zareo hovoizina sy hampahafantarina mandritra izao fitetezam-paritra hataony izao. 3 mianadahy ry zareo no tonga hanatanteraka an’ity hetsika ity dia i Goul na Andriamihanta mpamoron-kira sy mpitendry gitara, i Alice Fearne sy Laurie Rakotomanga mpihira sady mively “percussions”.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT