kolontsaina

Taratry ny mazava Ho avy ny rakikira faha 6


  • Talata 22 Febroary 2022

Ao anatiny hatrany amin’ny ezaka fanorenana toerana fitaizana tanora ao Ambohidahy izay hifarimbonan-drizareo zanaka am-pielezana ao amin’ny kaominina Ambohidanierana

 dia nisy ny fotoam-pivavahana notanterahan’izy ireo tetsy amin’ny Gamo Ampasampito ny alahady 20 febroary 2022 teo. Nampahafantarina tamin’izany ihany koa ny hetsika ho ataon’izy ireo rehetra amin’ity taona ity. Hankalaza ny faha 20 taonany amin’ity taona ity ihany koa antokom-pihira zanaky ny kaominina na ny “Taratry ny mazava” ka dia ao anatin’ny fihetsiketsehana momba izany izy ireo ankehitriny. Hikarakara ihany koa ny rakikira faha 6 ny antoko mpihira ka miantso ny malalatanana rehetra hanohana izany ho fanohanana ny fitoriana ny filazantsara. Isan’ny ezak’izy ireo amin’ity taona ity koa tsinona ny fividianana fanamafisam-peo enti-mitory filazantsara an-kalamanjana mba tsy haha voatery hanofa amin’ny hafa intsony, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT