kolontsaina

Taranaky ny Andriamanjaka eto Imerina “Ravao tsy misy hatak’andro io kianja masoandro io”


  • Talata 02 Jona 2020

Ny vohitra misy hasiny, ny tany misy fadiny, ny tany misy andriana, ary ny andriaamanjaka manan-taranaka, hoy ny fanambaran’ny Vovonan’ny taranaky ny Andriamanjaka eto Imerina.

 Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo notronin’ireo Mpandala sy mpiaro ny Fomba sy Hasina ary ny Fady eto amin’ny firenena ny faran’ny herinandro teo, fa tsy manaiky ny fananganana « Kianja Masoandro » na « Colisée » izay atao ao anaty Rovan’Analamanga, fa sady ota fady no fanovana ny tantara, mitaky ny fampiatoana ny asa. Mitaky ihany koa ny ny fandravana azy any amin’ny fotony tsy misy hataka andro, ary famerenana amin’ny laoniny ny sisa tsy may arahana fomba sy fanao ho fanalàna faditra, izay maintsy hatrehin’ny Taranaka sy ny Mpitàna Fomba. Miantso ny herivelona rehetra mitovy tanjona aminy hifanome tànana izy ireo. Andrasana izay ho fanehoan-kevitr’izy ireo taorian’ny fandaharana nataon’ny Filoha ny alahady teo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT