kolontsaina

Taranak` Andriana miray “Na ho ela na ho haingana miala eo ny Colisée”


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Manao tohivakana ireo fitakiana ataon` ireo taranaky ny Ampanjaka sy ny

 

 

 

Andriana manerana ny nosy mahakasika ny asa fanarenana ny Rovan` i Manjakamiadana. Tapa-bolana taorian` ny fitokanana ny fanarenana ny lapan`i Manjakamiadana sy ny lapan`i Besakana dia nanao fanambarana amin`ny tsy faneken`izy ireo ny fanovana ny endrika ao anatin` ny rova ny fikambanana ny Taranak` andriana miray eto Madagasikara. Tsy tena maneho endrika maha vakoka azy ny Rovan` i Manjakamiadana ankehitriny. Araka izany dia tandindon-doza ny hasin` ny vakoka eto Madagasikara, hoy Jean Jacques Ratsietison, mpitondra tenin` ny taranak` Andriana miray eto Madagasikara. “Ny Rovan`i Manjakamiadana dia manana sata sy hasina manokana amin` ny maha toerana iorenan` ny hasim-piandrianan` ny Fanjakana Malagasy azy. Ny tany misy fady ary ny olona manana ny fombany”. Ny taranak`Andriana dia miaro ny fomba sy ny fady eo amin`ny Rovan`i Manjakamiadana sy ireo vohitra masina eto Imerina sy manerana ny nosy. Noho izany dia miantso ny andriana rehetra tsy hanaiky ny firaisana tsikombakomba amin`ny sokajian` izy ireo ho fanotàna hasina. “Ambara ho ren-tany sy ho ren-danitra fa ny asa fanarenana ny Rovan`i Manjakamiadana no tanterahina ny fitondram-panjakana Malagasy ankehitriny manosihosy tanteraka ny hasin` ny Rovan` i Manjakamiadana. Ankoatra ny famotehana ny maha izy azy ny haren-tsaina sy harem-bahoaka nentin-drazana avoitrin` ny maro trano sy ny rafitra fa indrindra ny rindran-damina ara-pahamasinana tao anatiny” hoy ihany i Jean Jacques Ratsietison. . Mbola nanao antso amin`ny fanesorana ihany koa ny kianja Masoandro ity fikambanana andriana ity izay miandry ny fahendren` ny fanjakana sisa amin`ny fandrodanan` ny kianja masoandro ao anaty Rova. Na dia efa nanambara hatrany fa tsy mety io saingy mbola nikiry nanao izany ihany ny fanjakana dia nanamafy izany i Tiana Andriambelomanjaka, mpikambana ao anatin` ny antenimieran` ny andriana eto Imerina, fa “na ho ela na ho hainga dia tsy maintsy mirodana io “Colisée”io rehefa miova ny fitantanana eto amin`ny firenena. Ny fitondrana dia mandalo fotsiny ihany ary ny “Colisée” dia tsy maintsy miala”. Na teto Imerina na tany amin`ny faritra, eny na any ivelan` ny nosy aza, manohitra ny fanotana fady ataon` ny mpitondra eny anaty rova dia ny Kianja Masoandro izay tsy mifanaraka amin` ny soatoavina Malagasy izany.

Marigny A. sy Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT