kolontsaina

Taona 2020 sy ny FITRAMA Nanandratana avo ny vita Malagasy


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Taom-pahombiazana ny taona 2020 ho an-dRafanomezantsoa Jean Nirina sy ireo

 

 

 

mpiara-miasa aminy. Fotoana nahafahany nanandratra avo ny vita Malagasy mantsy izany tamin’ny alalan’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA izay tarihiny. Ekena hoy izy fa fotoana nandalovan’ny Malagasy ny sarotra indrindra ny taona 2020 noho ny fandalovan’ny valan’aretina COVID 19 saingy na izany aza hoy izy dia tokony ho hery entina mitraka ireny karazana sedra ireny. Ho an’ny taona 2021 manokana dia fantatra fa hiantsehatra feno amin’ny fampandrosoana sy fanatsarana ny tetikasa fifindra-monina na exode urbain izy ireo. Lohalaharana amin’izany ny fanatsarana ny fizahantany anatiny ho an’iny faritra Soaniedanana Pk 67, lalana miazo an’Ankazobe iny. Amin’ny volana Martsa ho avy izao ohatra dia hatao lapan’ny trondro eny an-toerana ka ho an’ireo izay te-hitsangatsangana dia afaka manjono hankalalahana saingy tsy manarato kosa. Efa nisy ny fandefasana zana-trondro ao amin’io toerana io. Hisy ihany koa ny fananganana efitrano fandraisam-bahiny eny an-toerana…Mikasika ny raharaham-pirenena manokana dia miantso ny firaisankinan’ny Malagasy rehetra ity tale jeneralin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy ity. Samy ilaina ny mpitondra sy ny mpanohitra hoy izy saingy rehefa mitsikera kosa ny mpanohitra dia tokony hanome vahaolana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT