kolontsaina

Taombaovao Malagasy eny Ambohidrabiby Niainga avy amin’ny fomba isam-paritra, hoy ny mpikarakara


  • Talata 05 Martsa 2019

Mbola mametraka adihevitra ihany na dia efa ho 20 taona aza izao ny fotoana tokony hankalazana izany taombaovao malagasy izany. Raha ny daty nomen’ny avy eo anivon’ny Trano koltoraly tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra omaly dia 5 sy 6 aprily izao no hankalazana izany eny amin’ny rovan’Ambohidrabiby.

 

 

 

Tsinana ny volana alahamady amin’io satria mifanitsy ny volana tsinana sy ny kintana alahamady. Raha tsiahivina, hoy ny mpikambana eo anivon’ity trano mpikarakara ity, Hasina Razafindrakoto, dia ny trano koltoraly no namorona ny atao hoe taombaovao Malagasy. Niainga avy amin’ny fomba isam-paritra izy io dia ny fidiovana. Isaky ny fararano no fidiovana satria miakatra ny vokatra ary matavy ny biby fiompy. Ny lohantaona kosa dia mikarainkona sy maina izany, raha ny fanazavana hatrany. Izay, hoy izy, no nisafidianana ny fararano hankalazana ny taombaovao Malagasy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT