kolontsaina

Taombaovan’Imerina 2020 Nangadihady ny kianja teny Anosimanjaka


  • Talata 26 Mey 2020

Tontosa tamin’ny sabotsy faha-23 mey ny fanamarihana ny taombaovaon’Imerina 2020 ho an’ny Zanadranavalona Anosimanjaka. Araka ny toromariky ny filohan'ny fikambanana, tsy nisy ny hetsika firavoravoana an-kalamanjana hankalazana ny taona 445 teny Anosimanjaka .

 

 

 

 Nangadihady ny kianja filanonana ho fanajana ny hamehana ara-pahasalamana ary tsy nisy ny famoriana ireo taranaka. Na izany aza, ho fanamarihana ny fiandohan'ny taona amin'ny fanisan-taona hatramin'ny andron-dRalambo izay arahin'ny fikambanana Zanadranavalona dia nisy ny fizarana Mofomamy (koban-dravina) ho solonkena mitam-pihavanana izay natao ivon'ny taombaovaon'Imerina. Marihana fa samy nanao ny fombafomba sy ny lanonana tsirairay avy isan-tokantrano kosa ny mpikambana sy ny tarana-dRanavalotsimitoviaminandriana.

Ntsoavina Evariste \

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT