kolontsaina

Taom-bavao iraisan’ny Malagasy 2019 Efa nalefa any Toamasina ny tsangambaton’ny firaisam-pirenena


  • Zoma 13 Septambra 2019

Notontosaina tamn’ny alarobia 11 septambra lasa teo tao anatin'ny miaka-bolana ny fangatahan-tsodrano sy fanasinana ny vato fehizoro hatsangana ao amin'ny renivohitr'i Toamasina izay handray ny

 

 

fankalazana ny Taom-baovao iraisan’ny Malagasy amin'ity taona ity. Niarahan'ireo solontenam-poko mandrafitra ny KMTM « Komity Mpanomana ny Taom-baovao iraisan'ny Malagasy » sy ny Malagasy Mampiray Firenena izany ary nitondran'ny solontenan'ny foko Betsimisaraka, ny Printsy Andriandrainarivo Josephin, ny vavaka sy ny tso-drano. Voahaja, araka izany, ny fomba malagasy dia ny fanombohan-draharaha amin'ny miaka-bolana. Niainga teny Ambohimalaza nakana azy, hihazo an'i Toamasina  ny Tsangambaton'ny firaisam-pirenena ary ny 19 septambra kosa no hanomboka ny fankalazana ny Taom-baovao iraisana sy ny vovonamben'ny Raiamandieny ara-drazana ao amin'ny renivohitr’i Toamasina ary ny talata 22 septambra  no ivon’ny fankalazana.

Manoloana ireo fanaratsiana eny amin’ny tambajotran-tserasera samihafa kosa, nanome fanazavana ny KMTM fa tsy vao izao akory no nandinihana ny fikarakarana, indrindra ny fotoana hanatanterahana ny fomba rehetra hanajana ny maha Gasy fa efa nilofosan’ny komity sy ny vovonamben’ny Raiamandreny ara-drazana ny hahatanteraka izany an-tsakany sy an-davany.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT