kolontsaina

Taom-baovaon’Imerina Fotoan-dehibe ny teny Anosimanjaka


  • Talata 03 Mey 2022

Ambohipihaonan’ny Zanadranavalona Anosimanjaka ny 01 aprily teo, izay nankalazan’ny fikambanana ny Taombaovaon'Imerina 447, taorian’ny fiatoana roa taona noho ny hamehana ara-pahasalamana.

Tao anatin’ny fanarahana ny fomba nahazatra hatrizay ny fankalazana. Nanamarika ny ivon’ny hetsika ny famonoana omby volavita narahina fizarana nofon-kena mitam-pihavanana, narahin'ny fitsofan-drano sy ny fanomezana solom-bodiakoho ireo Raiamandreny lehibe. Nialohavan'ny arendrina sy ny fandroana ireo nandritra ny tsinambolana voalohan'ny Alahamady. « Alahamady miavaka no ankalazain'ny Zanadranavalona, alahamady lehibe na antsoin'ny hafa ho alahamadibe noho ny fifanintsian'ny andro alahamady amin'ny volana alahamady raha maro ireo zanakandro alahamady mandrafitra ny taona », hoy ny Filohan'ny fikambanana Alain Eddie Ravelonarivo. Nomarihina fa alimanaka isa lava amin'ny fanisàna volana no ampiasain'ny Zanadranavalona amin'ny fanisan-taonany. Latsaka 11 andro izany amin'ny isan-taona Gregoriana noho ny Malagasy manisa andro 28 hatramin'ny 30 andro mandritra ny fihodinam-bolana iray raha 30 na 31 andro izany amin'ny isa andro tandrefana. Amin’ny taona ho avy, efa fantatra fa ny 20 aprily no datin'ny Taombaovaon'Imerina. Isan’ny niatrika io lanonana ara-pomban-drazana io ny Depioten’Ikongo Atoa Brunelle Razafitsiandraofa, izay naneho fa "Ao anatin'ny fiandrianana no misy ny ivon'ny kolontsaina sy ny fiarahamonina, itehirizana ny soatoavina amin'ny fahendrena sy ny fomba ary ny fady”. Nidera manokana ny Zanadranavalona nahatahiry sy mitana ny fombany nandritra ireo taon-jato nifandimby ny tenany na be aza ireo miezaka manapotika ny kolontsaina Malagasy hatrizay. Ny Tangalamena Patrick Zakariasy izay nisolo tena ny masim-piandrianana avy any amin'ny faritra kosa, dia nandrisika ny avy any anindran-tany hampisongadina ny fomba fanaony ihany koa toy ny fanehoan'ny foko Merina ny maha-izy azy toy izao. Nampahatsiahiviny fa efa misy ny dingana amin'ny fampitambarana ny fankalazana isam-paritra, hanasongadinana ny fomban'ny tsirairay sy entina maneho firaisankina amin'ny tokony hananan'ny Malagasy ny taom-baovao. Mitety faritra moa izy io ka any Antsiranana no handray ny hetsika amin'ity taona ity, taorian’ny tany Fianarantsoa, Toamasina, Mahajanga, ary ny teto Antananarivo.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT