kolontsaina

TAOM-BAOVAO MALAGASY “ Tsy finoana fa fomba voamarina”


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Betsaka ny olona no milaza fa fanompoan-tsampy ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy raha araka ny fanazavan-dRandriamihanta Victorio, filohan’ny fikambanana MIAHI Malagasy Iray Hasina tamin’ny mpanao gazety omaly.

 Fomba izy io raha araka ny fanazavany, voamarina sy azo hatao ary azo hazavaina fa tsy finoana. Ny finoana mantsy hoy izy dia faharesen-dahatry ny olona iray amin’ny zavatra iray inoany izay tsy azo hamarinina. Natao indrindra hamerenana ny hasin’ny olombelona tsirairay sy ny firenena araka izany ny taom-baovao Malagasy hoy izy. Taorian’ny rivo-doza, ny varatra, … dia voadio i Madagasikara hoy izy ka mila midio ihany koa ireo vahoaka ao aminy. Zavatra tsy azo dikaina ao anatin’ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy hoy hatrany Randriamihanta Victorio ny fitsofan-dran o sy ny fidiovana fomba izay tokony hataon’ny isan-tokantrano izay marihina eo anelanelan’ny volana Martsa ka hatramin’ny volana Aprily. Tsy izy ny ankoatra izay hoy hatrany ity filohan’ny MIAHI ity. Hampianatra mikasika ny afo tsy maty sy ny vary amin-dronono tondrahan-tantely moa ity fikambanana ity anio Alakamisy 31 Martsa, etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely ihany. Ny ronono dia midoika ho fitomboan’ny taham-pahavelomana ary hitondra mamy eo amin’ny fiainana kosa no antony hihinanana ny tantely. Rahampitso Zoma 01 Aprily amin’ny 09 ora sy 26 minitra moa no fotoana voatondro hihinanana io vary amin-dronono tondrahan-tantely io, raha afaka rahampitso Sabotsy 02 Aprily kosa no hifarana ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy. Marihina moa fa miisa 4057 ireo mpikambana ao amin’ny MIAHI manerana ny faritra 23 izay samy mankalaza ny taom-baovao Malagasy avokoa.
Pati
Legende : Omaly tetsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT