kolontsaina

Taom-baovao Malagasy tany Toamasina Tapaka ny vato lehibe saika hatao tsangam-bato


  • Alatsinainy 23 Septambra 2019

Ambohipihaonan’ny sokajin’olona samihafa eto amin’ny firenena ny tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo satria omaly 22 septambra no nankalazana ny Taom-baovao Malagasy iraisana.

 

 

Lehibena andrim-panjakana, mpikambana amin’ny governemanta, solontenam-panjakana isan-tsokajiny, Ampanjaka sy olobe avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, Tangalamena, mpanao politika, olon-tsotra, miaramila… no tonga nankalaza izany. Ny 21 septambra dia efa nisy ny tsimandrimandry nentina niomanana tamin’ny fitsenana ny asaramanitra. Nisy moa ny tsangambato goavana natsangana ho marik'ity fiaraha-mankalaza ity taom-baovao Malagasy ity, ka vato mirefy 7m, milanja 12 taonina nalaina avy taty Antananarivo.  Fanehoana ny firaisan'ny foko 18 misy eto Madagasikara ity.  Efa tafajoro ilay vato no tapaka tampoka teny amin’ny lohany, izay soa ihany fa tsy nisy ny olona naratra na ny aina nafoy.Raha ny filazan’ny teknisianina dia tsy nety ny fomba nibatana sy nanaingana ilay vato izay diso voaray an-tendrony loatra ka izay no nahatapaka azy.Misy mihevitra koa anefa fa fambara zavatra izao vato vaky izao.

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT