kolontsaina

Taom-baovao Malagasy tany Itasy Niavaka, nahasarika olona marobe tokoa


  • Talata 09 Aprily 2019

Niavaka ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy nokarakarain’ny fikambanana Fitohasina sy ny foiben’ny trano koltoraly Malagasy natao tany Miarinarivo sy Soavinandriana, Faritra Itasy ny faran’ny herinandro teo.

 

 Nirehitra tao Amboniazy, rovan’Andriambahoaka afovoan-tany, ivon’i Madagasikara  mantsy  ny afo tsy maty  ho an’ny taom-baovao taona  2019, ny  alin’ny alakamisy 4 aprily lasa  teo. Nahavory olona marobe tokoa izany, antony nilazan’ny mpikarakara fa efa manomboka miverina ao am-pon’ny Malagasy tsikelikely  ny fitiavana ny fomba amam-panao toy ny taom-baovao Malagasy. Maro rahateo ireo olom-panjakana tonga nanome voninahitra ny  lanonana, toy ny lehiben’ny distrikan’i Soavinandriana, ny  solontenan’ny  komitin’ny fampihavanana Malagasy….Notsiahivin’ireo solontenam-panjakana nandray fitenenana fa ny taom-baovao Malagasy no vavolombelon’ny fampihavanana sady fomba sy kolontsaina maha firenena ny firenena Malagasy noho izany tsy tokony hatao ambanin-javatra. Teny amin’ny kianjan’ny kanto Mahamasina no namaranana ny lanonana rehetra, hetsika izay kasain’ny trano koltoraly Malagasy hotohizana hatrany mba tsy ho adinon’ny taranaka amam-para.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT