Taom-baovao Malagasy omaly

Nentina nifampitsofan-drano sy nifampirariana soa


  • Talata 12 Martsa 2024

Nomarihina sy nankalazaina omaly 11 martsa 2024 ny taom-baovao Malagasy.

Vita ny alahady teo ny fidiovana, ka ho an’ny omaly dia fifampitsofan-drano sy firarian-tsoa, nihinanana vary amin-dronono tondrahan-tantely izay mifono soatoavina sy heviny manokana satria mitondra hery, ary ho mamy hatrany ny fiainana. Nisy ireo hetsika maro nanamarihana izany, ka anisan’izany ny teny Anatirova sy tetsy Mahamasina, izay teo ambany fiahiahian’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny kolontsaina. « Avela any izay mety nampisaraka ary hibanjina ny ho avy isika », hoy ny minisitra misahana ny Kolontsaina, Andriamananoro Augustin. Anisan’ny tsikaritra ny fanatrehan’ny diplaomaty sasany toy ny ambasadaoron’i Frantsa, Inde, Japon,… ny lanonana, ka nilazany fa misokatra amin'ny fampahafantarana koa isika fa manana ny kolontsainy sy ny reharehany i Madagasikara, ka anton'izany no nanasana ireo masoivoho sy tomponandraikitra hafa nandritra ny lanonana fankalazana ny Taom-baovao malagasy izao. Na izany aza, nisy tamin’ireo mpandala ny fomba Malagasy no naneho ny alahelony teo anatrehan’ny fangatahana ny mba hamoahan’ny Fanjakana didim-panjakana mba ho andro tsy iasana fa handraisan-karama toy ny fety samihafa tahaka ny an’ny silamo sy ny kristianina, saingy nanaovana bemarenina. Nisy mihitsy aza ny fanamarihana fa efa 20 na 30 taona no nangatahana an’io. Mety nandeha ihany koa anefa ny tsindry avy amin’ny Vondrona ara-toekarena samihafa, fa misy fatiantoka lehibe amin’ny fanatsaharana iray andro ny asa sy ny famokarana.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT