Samy manampahaizana be daholo ve sa inona mihitsy no antony tsy mampifanaraka ireto mitonona ho mpandala ny fomban-drazana etsy sy eroa izay samy manana ny taombaovao malagasiny ireto ka tsy mety hahita daty iray azo hifanarahana hankalazana ity asaramanitra ity ?
Ny sinoa izay efa maherin’ny 2 miliara aza ny isan’ny mponina ao aminy mahita daty iombonan’ny rehetra hankalazana ny azy isan-taona, hany ka makotrokotroka ery ny azy ireo isan-taona sady malaza eran-tany. Araka ny fanadihadian’ny mpikaroka iray moa dia misy karazana taom-baovao 12 manerana ireo faritra eto Madagasikara. Teo aloha teo dia ny Zanadranavalona eny Anosimanjaka sy ry zareo avy eo anivon’ny Trano koltoraly Malagasy no nifandrirotra tamin’ity daty ity. Ilay voalohany manizingizina fa tokony ho isaky ny lohataona, izany hoe, ny volana septambra any ho any no hanatontosana azy. Ilay faharoa indray manamafy fa tsy maintsy tsinam-bolana aorian’ny fahavaratra no hanaovana azy satria avy nandalo daholo ireo seho voajanahary nandio ny firenena toy ny orana sy ny rivodoza. Ny taom-baovao Malagasy, hoy izy ireo, dia tokony ho amin’ny fotoana fidiovana sy fanolorana tso-drano. Ny 17 ka hatramin’ny 19 martsa izao moa no hankalazan-dry zareo taranaka avy eny Ambohitrabiby sy ry zareo avy eo anivon’ny Trano koltoraly ny taom-baovao Malagasy araka ny fomba fanisan’izy ireo amin’ity taona ity, raha ny fampahafantarana natao tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra omaly. Natomboka tamin’ny septambra 2017 teo ihany koa anefa ny fankalazana ny antsoina hoe “Volambita” izay nolazain’ny mpikarakara azy ho tena taom-baovao Malagasy ihany koa ary heverina fa mbola hitohy amin’ity taona ity. Aiza moa no tsy hitsefotra lalandava toy izao foana ilay fankalazana ? Inona ihany koa ary, araka izany, no antony nampizaran’ny Malagasy ny taona ho fahavaratra, fararano, ririnina ary lohataona ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.