kolontsaina

Taom-baovao Malagasy Misy vaovao mipoitra indray


  • Alakamisy 06 Aprily 2023

Miala any indray amin’izao fotoana izao ny antsoina hoe taom-baovao gasy, raha ny fampahafantarana nataon’ireo heverina fa isany hivoy izany.

Afaka 14 andro izany no ho avy, raha ny fanatsidihana natao. Ny tena hita ho nifandrirotra hatramin’izay dia ireo mankalaza ny isaky ny fiandohana na fisasahan’ny volana martsa eo na fararano sy ny mpankalaza ilay isaky ny lohataona aty amin’ny volana septambra aty na ilay misy miantso koa hoe Volambita. Tsy lazaina intsony ny mbola fankalazana ny antsoina hoe «Fandroana» teto Imerina, izay mbola misy mankalaza hatramin’izao. Toy izany koa ireo fankalazana isam-paritra izay samy manana ny anarana fiantsony azy avokoa ary samy manana ny fotoana hankalazana azy. Lasa resaka mahatsikaiky izy ity ary mampametra-panontaniana hoe mbola kolontsaina sy fampianarana fomba ve no tena tanjona ao anatin’ilay izy sa fandisoana tantara sy fanimbana izay kolontsaina sy fomba maneho ny maha izy ity firenena ity izay ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT