kolontsaina

Taom-baovao Malagasy karakarain’ny Trano Koltoraly Any Miarinarivo ny hanokafana azy ny 04 Aprily


  • Zoma 22 Martsa 2019

Mihamahazo vahana hatrany ny fanatontoloana eto amintsika. Betsaka ireo voka-tsoa azo avy amin’izany nefa misy ihany koa ireo voka-dratsy.

 

 

 Mikasika ny taom-baovao Malagasy manokana mantsy dia nambaran’ireo raiamandreny ara-drazana sy olobe avy amin’ny fikambanana Fitohasina sy trano koltoraly Malagasy nanao famelabelaran-kevitra tany Soavinandriana fa manomboka miala ao am-pon’ny Malagasy ny fitiavana izany. Tsy hita taratra amin’ny  fiainan’ny Malagasy intsony ny soatoavina, ny  fitaovana ara-moraly nampirindra ny fiaraha-monina fahiny, indrindra fa ilay  fomba amam-panao mitahiry ny maha izy azy ny ankamaroan’ny malagasy hoy izy ireo.  An-taonina ny antotan-kevitra eo anivon’ny Fitohasina sy ny foiben’ny trano koltoraly Malagasy mahakasika ny fomba amam-panao sy ny soatoavina  izay tokony hampitaina amin’ny taranaka aty aoriana, raha ny nambaran’ny printsy Bezanozano, Louis de Gonzague Rakotomalala, sady loholona eo anivon’ny trano koltoraly Malagasy. Noho ireo antony ireo indrindra no nanosika ny roa tonta hanazava ny taom-baovao Malagasy tany an-toerana izay nomarihiny manokana fa tsy fanompoan-tsampy akory fa vao mainka manamafy ny fihavanana Malagasy aza. Tsiahivina moa fa ny 04 ka hatramin’ny 06 Aprily ho avy izao  no hanokafana ny taom-baovao Malagasy any amin’ny rovan’Amboniazy Miarinarivo, ivon’i Malagasikara karakarain’izy ireo. Ny 07 aprily kosa ny fanotronana ny sakandro eny amin’ny kianjan’ny kanto Mahamasina no sady fifampiarahabana nahatratra ny taona tanterahin’ny FIZANAKARA.

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT