kolontsaina

Taom-baovao Malagasy Iray ihany, hoy Rakoto David


  • Alakamisy 15 Martsa 2018

Iray ihany ny taom-baovao Malagasy, hoy Rakoto David, tompon’andraikitra eo anivon’ny hadivory fito sosona ao anatin’ny trano koltoraly Malagasy fa ny mpikarakara no samihafa.

Toy ny mpirahalahy samy mankalaza ny taom-baovao io, hoy izy fa ny sakafo hanina sy ny fomba no samihafa. Nampahafantatra ny fisian’ny taom-baovao Malagasy amin’ity taona ity izy ireo omaly. Ny 17 sy ny 18 martsa ho avy izao no hankalazaina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ho an’ny trano  koltoraly Malagasy, ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Famato ary ny VAMM (Vondron’ny Artista Mandala ny Maha malagasy). Lohahevitra hitondrana ny hetsika  ny   “ala faditra sy fanandratan-kasina”. Eran’i Madagasikara no hanaovana ny fankalazana. Na izany aza anefa dia nambaran-dRakoto David fa mbola vitsy ireo Malagasy mankalaza azy ka mila lanian’ny Antenimieram-pirenena ny fisiany isan-taona ka hatao andro tsy hiasana nefa handraisan-karama. Ankoatra izay, mila ampidirina anaty fandaharam-pianarana ny taom-baovao Malagasy mba ho fantatry ny taranaka faramandimby. Mbola hitohy any amin’ny Espace Nambinintsoa Talatamaty ny hetsika ny alin’ny zoma 23 martsa ho avy izao hanehoana ireo karazam-pitafiana sy taovolo maha malagasy.

Patty

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT