kolontsaina

Taom-baovao Malagasy iraisana Hotanterahina ny volana septambra ho avy io


  • Talata 22 Aogositra 2017

Sambany no hotanterahina eto amintsika ilay hetsika taom-baovao Malagasy iraisana izay hiparitaka manerana ny faritra 22.

 

 Ny 22 septambra ho avy izao no hanatontosana azy eny amin’ny kianjan’Andohalo ho antsika eto an-drenivohitra. Fikambanana manodidina ny telo eo no indray hifarimbona hiara-hifanome tanana hikarakara izany raha araka ny fanazavan’Atoa Razafindrasata Roméo, anisan’ireo komity mpikarakara. Anisan’ireny ny tranoben’Imerina, ny zana-dRanavalona, raha toraka izany koa ny fikambanan’ny Antenimieran’ny andriana misy ireo andrian-dehibe. Ny zoma ho avy izao no haseho vahoaka eny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana Atoa Andriamary Hamonina hitondra sy hitantana izany fikambanana izany. Amin’izy ireo mantsy dia tsy fanjakana demokrasia no tokony apetraka eto Madagasikara fa fanjakana mametraka ho ambony ny zokiolona sy ny Ray aman-dReny. Izay no mbola mahavoafehy ny  zanaka aman-jafin’ireo mametraka io rafitra io hoy hatrany Razafindrasata Roméo no sady mbola hipetrahan’ny hasina amin’izy ireny. Ho an’ny taom-baovao Malagasy iraisana manokana dia tanjon’ny mpikarakara ny hamerenana ny fiaimpiainana maha manan-kasina antsika  eto Madagasikara manomboka amin’ny olom-pirenena tsirairay avy ka hatramin’ny firenena iray manontolo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT