kolontsaina

Taom-baovao Malagasy iraisana 2018 Manomboka ny fanomanan’ny KMTM azy


  • Talata 03 Jolay 2018

Manomboka ny fanomanana amin’ny handraisan’i Fianarantsoa ny fankalazana ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy any amin’ity renivohitr’i Matsiatra Ambony ity ny KMTM (Komity mpanomana ny taom-baovao malagasy).

 

Hetsika fitadiavam-bola tamina sakafom-piraisana natao teto an-drenivohitra no nisantaran-dry zareo izany  ny sabotsy 30 jona lasa teo. Anisan’ny nanatrika an’ity hetsika ity ny minisitry ny fizahan-tany, Razafitsiandraofa Brunel, izay nankasitraka tanteraka ny fifanarahana nisy teo amin’ireo foko 22 nanaiky ny hametrahana io daty tokana io, hanamarihana ny fiombonam-pon’ny samy Malagasy. « Zava-dehibe ny fanomezana hasina ny soatoavina sy ny kolontsaina satria fototry ny fandrosoana amin’ny firenena mahatahiry azy, hoy izy tamin’izany. Nambarany koa fa hametraka politika vaovao hampifandraisana ny vakoka aman-kolontsaina Malagasy amin’ny fampiroboroboana mifandrindra amin’ny fizahantany ny departemanta iadidiany mba higohan’ny Malagasy teratany ny tombony amin’ny fidiram-bola avy ny fizahan-tany ateraky ny fahaiza-mamelo-maso ny haren-tsaina Malagasy eto amintsika.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT