kolontsaina

Taom-baovao Malagasy Hankalazaina ao Fianarantsoa


  • Talata 04 Septambra 2018

Hiditra amin’ny andiany faharoa ankehitriny ny fankalazana ny taom-baovao malagasy ho an-dry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Malagasy Mampiray Firenena (MAMAFI) sy ny Komity Mikarakara Ny Taom-Baovao Malagasy (KMTM).

 

 

Efa nifanarahana tamin’ny Foko 22, hoy ny tangalamena Zakariasy Patrick fa tokony ho vanim-potoana lohataona no anatanterahana azy ary nofidiana manokana i Fianarantsoa tamin’ity amin’ny maha ivon’i Madagasikara azy. Izay no lojika. Tokony ho lohataona no ankalazana ny taom-baovao amin’ny maha lohan’ny taona azy. Tsy ilana fanandroana izany ary tsy misy idiran’ny resaka finoana. Ny 11 hatramin’ny 14 septambra moa no handeha ny fankalazana. Ankoatra ireo hetsika maro toy ny fananganana vato fehizoro sy fampisehoana ara-javakanto ary fanaovana vovonan’ireo raiamandreny hiresaka momba ny soatoavina sy raharaham-pirenena dia nofon-kena mitam-pihavanana hatrany no zaraina ao anatin’ny efatra andro, raha ny fanazavana hatrany. Hasaina ihany koa ireo mpitondra fanjakana sy raiamandreny ara-drazana tsy an-kanavaka ary ny vahoaka Malagasy.

 

J. Mirija

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT