Taom-baovao malagasy

«Efa nilaozan’ny toetr’andro ny disadisa»


  • Alakamisy 11 Jolay 2024

Miainga amin’ilay komity mikarakara ny taom-baovao iraisan’ny malagasy na KMTM

tamin’ny taona 2016 ihany, izay raha fintinina dia nisy ny fivoriana natao teny amin’ny Arrupe Faravohitra ny taona 2016 ary nananganana komity hikarohana izay taom-baovao malagasy izay, hoy ny mpanolontsaina eo anivon’ny KMTM, Josephin Andriandrainarivo. Nisy taorian’izay ny fivoriambe tao amin’ny tranombokim-pirenena izay nanapahana fa atao ny fisasahan’ny volana septambra, ivon’ny lohataona, no hanaovana azy, hoy izy. Ny fijerena ny fanisana andro isan-karazany sy ny tantara nisy teto Madagasikara, isany ny soratra ao amin’ny Akademia malagasy ny taona 1908, takelaka faha 27, izay miresadresaka an’io hoe volana bitaka isokafan’ny taona eto Madagasikara io, no nanapahana izany. Efa natao ny fitetezana ireo renivohim-paritany miisa 6. 2017 ho an’Antananarivo. Nitohy taty Fianarantsoa, Toamasina, Mahajanga, Antsiranana ny 2022 ary Toliara ny 2023 teo. Iaraha-miasa amin’ilay fikambanana ara-drazana natsangan’ny fanjakana na «Comité royal de Madagascar» eo anivon’ny minisiteran’ny kolontsaina izany amin’izao fotoana izao ny fanomanana azy io, izay atao eo amin’ny lapan’Antananarivo renivohitra manomboka ny 6 hatramin’ny 11 septambra hoavy izao. Avela ho an’ny fanjakana ny fanapahan-kevitra ny amin’ny hoe ho atao andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ve izy io? Ny anjaran’ny vahoaka malagasy dia ny mankalaza isan-tsehatra ara-kolontsaina izany manerana ny nosy. Atao any Mahajanga, ohatra, izao ny fanompoambe izay nanomboka ny 8 jolay teo. Tahaka izany koa fa io iray io izany dia iombonana eto Madagasikara. Efa tsy misy disadisa intsony angamba satria ny faniriana tamin’ny fifanatonanay tamin’ireo mpikarakara ilay natao ny volana martsa sy aprily teo iny dia «Taombaovao malagasy fidiovana» no nitondrana ny anarany dia samy angatahana ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama any amin’ny fitondram-panjakana io. Efa tonga any iny antso iny ary tsy manakana ny hanaovana ireo hetsika ireo ny fanjakana fa miandry ny didim-panjakana angamba sisa. Heverina fa efa nilaozan’ny toetr’andro ny disadisa, hoy hatrany ny KMTM.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT