kolontsaina

Taom-baovao Malagasy Efa ho 12 karazana


  • Zoma 08 Septambra 2017

Vory lanona indray tetsy amin’ny Trass Tsiadana ny alin’ny alarobia teo niatrika ilay hetsika fanaon-dry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Faribolana Fanilo na “Tafa hariva”. “

Madagasikara sy ny tsiambaratelony” no lohahevitra novelabelarin’ny filohan’ny fikambanana Iray i Madagasikara, Eris Rabedaoro, io alina io ary nanazavany fa ao ambanin’ny Nosy ao dia misy tontolo tsy hita maso iray  izay manana ny rafitra mitondra azy ka efa nikasa ny hametraka an’i Madagasikara ho firenena mandroso indrindra miainga amin’ity taona 2017 ity nanomboka ny taona 1991. Ho isan’ny tany mandroso indrindra isika manomboka amin’ity taona ity, hoy izy. Mbola hanana  ny toerany sa tsia ny olombelona Malagasy amin’izay fotoana raha toa ka manomboka maka toerana eto amintsika ireo vahiny ? Izany no nahatonga anay avy eo anivon’ny fikambanana Iray I Madagasikara hikarakara taom-baovao iraisana na ny “Volambita” etsyAnalakely amin’ny 22 septambra izao, hoy izy, satria io no heverina hampisy marimaritra aloha amin’izao taona izao raha efa ho 12 karazana ireo taom-baovao misy manerana ny Nosy. Raha tsy maka toerana amin’ity 2017 ity isika, hoy izy, dia mety ho lasa tehirizin’olona any anaty voary toy ireo “Peau rouge” any Amerika no hiafarantsika.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT