kolontsaina

Taom-baovao iraisan’ny Malagasy Tsy mifanipaka amin’ny fomba Kristianina


  • Alatsinainy 25 Septambra 2017

Efa niroso ihany ilay fankalazana ny “Taom-baovao Iraisan’ny Malagasy”, raha tarafina tamin’ny hetsika tao Antsirabe.

Na dia vitsy aza ny nanatrika ny fanokafana dia tonga maro ihany ireo vahoaka nandritra ny hetsika teo an-tsehatra. Hatreto moa, ny lafiny fanentanana sy fampahafantarana no tsy ampy sy lesoka ka maro no tsy taitra. Na izany aza, tonga avokoa ireo manampahefana isan-karazany tao Vakinankaratra zoma 22 septambra 2017 lasa teo, nanoloana ny gara. Nambaran’Atoa Randrianantenaina José, Depiotén’i Madagasikara ao Antsirabe faharoa fa na mampizarazara ny malagasy maro sy ny Krisitianina aza ny resaka dia tsy mifanipaka amin’ny fivavahana. Talohan’ny nahatongavan’ny fivavahana dia efa nino ny Zanahary an-tampon’ny loha ny Malagasy, izay Andriamanitra any am-piangonana. Etsy an-daniny, efa miroborobo ny fampianarana ny fomba malagasy sy ny Kabary ka azo antoka fa tsy ho ela dia hivelatra ny fankalazana. Tsy misy hidiran’ny fanompoan-tsampy, hoy izy, ny fankalazana ny taom-baovao Iraisan’ny Malagasy satria saika ny firenena rehetra dia samy manana ny fankalazana ny taom-baovaony na eo aza ny taom-baovaon’ny fanisan’andro amin’ny fomba “Greogorianina”.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT