kolontsaina

Taom-baovao iraisan’ny Malagasy Hotanterahina any Mahajanga tsy ho ela


  • Alakamisy 19 Aogositra 2021

Hotanterahina any Mahajanga tsy ho ela ilay taom-baovao iraisan’ny Malagasy karakarain’ny Malagasy Mampiray Firenena (MAMAFI) sy ny komity mikarakara ny taombaovao Malagasy (KMTM) ary ny filongoabe Sakalava

. Ny 10 ka hatramin’ny 12 septambra ho avy izao, no hanatanterahana izany ao Mahajanga na ilay antsoina hoe : lohataona, vanim-potoana entin’ny rehetra hanandratana avo ny firaisam-pirenena sy ny soa toavina Malagasy. Na izany aza ny datin’ny 09 septambra kosa dia efa hanomboka ny fandraisana ireo vahiny avy any amin’ny faritra ka amin’ny alalan’ny tsimandrimandry hotanterahina ao Antsahabingo no hanatontosana izany. Ny zoma 10 Septambra misandratr’andro kosa no hanaovana ny fitokanana ny tsangam-baton’ny firaisam-pirenena izay hatao ao Antsahabingo ihany raha ny folakandro kosa no hanatontosana ny vovonan’ny Ray aman-dReny ara-dRazana ao amin’ny lapan’ny tanana. Ny sabotsy 11 septambra indray no hanaovana ny filaharambe mamakivaky ny tanana miainga avy ao amin’ny Baobab mifarana ao Antsahabino ihany , arahin’ny fitsidihana ny lac sacre any Mangatsa. Ny Alahady 12 Septambra izany vao hifarana tanteraka ny hetsika ka hisy ny fandravonana ny fehin-kevitra tapaky ny vovonan’ny Ray aman-dReny ara-drazana ao amin’ny lapan’ny tanana. Tsiahivina moa fa teto Antananarivo no nanaovana ny taombaovao iraisan’ny Malagasy tamin’ny taona 2017. Tany Fianarantsoa no nanatanterahana izany tamin’ny taona 2018, tany Toamasina tamin’ny taona 2019 raha any Mahajanga amin’ity taona 2021 ity. Noho ny hamehana ara-pahasalamana nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 moa dia natao teto an-drenivohitra ihany izany tamin’ny taona 2020. Samy nametrahana ny tsangam-baton’ny firaisam-pirenena avokoa moa ireo rehetra ireo.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT