kolontsaina

Taom-baovao iraisan’ny Malagasy Hatao any Mahajanga ny andiany fahefatra


  • Talata 01 Oktobra 2019

Efa miomana amin’ny fandraisana ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy rehetra andiany fahefatra hotanterahina ao Mahajanga sahady ny solontenan’ny foko avy any an-toerana tonga niatrika ny andiany fahatelo notanterahina tany Toamasina farany teo.

 

 

 

 

Nambaran’izy ireo fa na vehivavy aza  izy ireo dia vonona ary efa eo am-piketrehana sahady ankehitriny. Hisy ihany koa fananganana vaton’ny firaisam-piraisam-pirenena toy ny natao teto Antananarivo sy tany Fianarantsoa ary Toamasina na dia misy aza ireo mpanakiana. Volana septambra ihany no hanatanterahana ny hetsika amin’ny taona 2020 ho avy io izay nambaran’izy ireo fa  vanim-potoanan’ny lohataona tokony hankalazana ny taom-baovao Malagasy fa tsy volana hafa toy ny an’ny hafa. Fahombiazana tamin’ny ankapobeny ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy notanterahina farany teo tany Toamasina.  Efa  manomboka manaiky sy miara-miasa feno amin’ireo raiamandreny ara-drazana mantsy ireo tompon’andraiki-panjakana, ankoatra ny fitombon’ireo olona tonga manatrika izany hatrany hatrany.  Ny fiverenana amin’ny fankatoavana sy soatoavina Malagasy ihany moa raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Atoa Jean Eric Rakotoarisoa no hahafahana mampandroso ny firenena raha tsiahivina izay tsy maintsy hampitaina amin’ny taranaka faramandimby mba tsy takon’ny fiarovan’ny teknolojia ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT