Taom-baovao Iraisan'ny Malagasy
Hangatahana ho andro tsy fiasana amin’izay
Ho an’ny Malagasy rehetra ny fankalazana ny taom-baovao iraisana izay efa niditra tamin’ny fanamarihana fanindroany tamin’ity taona ity. Tanjona ny hankalazan’ny isan-tokantrano toy ireo fety rehetra. Manamafy izany ny ezaky ny vovonamben’ny Raiamandreny ara-drazana amin’ny fametrahana azy hankatoavin’ny fanjakana sy hanaovana azy ho andro tsy fiasana mialoha ny fankalazana any amin’ny renivohitry ny foko Betsimisaraka ny 22 septambra 2019. Izany indrindra no tsy maintsy nanapahana daty tokana tsy miovaova nandritra ny vovonan’ny lehibem-poko 22 tao Fianarantsoa. «Aoka hiala ao an-tsain’ny maro ny filazana io fankalazana io ho taom-baovaon’Andriana. Ho an’ny Malagasy rehetra ny fanamarihana azy io ary taratra amin’izany ny fanamarihana io daty io tao amin’ny faritr’i Vakinankaratra ny faran’ny herinandro teo raha tao Fianarantsoa no nandray ny ivony ny 11 hatramin’ny 14 septambra. Na i Toamasina aza no handray ny ivon’ny fankalazana amin’ny taona ho avy dia tsy manakana, ary ampirisihina mihitsy ny hisian’ny firavoravoana isam-paritra sy isan-tokatrano », hoy ny mpitahiry ny hasim-piandrianan’i Madagasikara ao amin’ny tranoben’Imerina Ambohimanga Robert Randrianantoandro. Tsy tokonyhiadian-kevitra intsony koa ny mahakasika ny fanandroana na ny fanisanandro na vaninandro, noho ny fanapahana niarahan’ny Raiamandrenyara-drazana maro an’isa ary to teny avy amin’ny foko 22 manerana ny nosy, hoy izy, mba tsy hanakorontanana ny efa milamina.
NtsoavinaEvariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.