kolontsaina

Taom-baovao Iraisan'ny Malagasy 2019 Tanjona ny hankatoavan'ny fanjakana azy ho andro tsy fiasana


  • Talata 02 Oktobra 2018

Ho an’ny Malagasy rehetra ny fankalazana iraisana ny Taom-baovao izay efa niditra tamin’ny fanamarihana fanindroany tamin’ity taona ity.

 

 



Tanjona ny hankalazan’ny isan-tokantrano toy ireo fety rehetra,manamafy izany  ny ezaky ny vovonamben’ny Ray aman-dreny ara-drazana amin’ny fametrahana izany hankatoavin’ny fanjakana sy hanaovana azy ho andro tsy fiasana mialoha ny fankalazana any amin’ny renivohitry ny foko Betsimisaraka ny 22 septambra 2019. Izany indrindra no tsy maintsy nanapahana daty tokana tsy miovaova nandritra ny vovonan’ny lehibem-poko 22 tao Fianarantsoa.« Aoka hiala ao an-tsain’ny maro ny filazana io fankalazana io ho taom-baovaon’Andriana, ho an’ny Malagasy rehetra ny fanamarihana azy io ary taratra amin’izany ny fanamarihana io daty io tao amin’ny faritr’i Vakinankaratra ny faran’ny herinandro teo raha tao Fianarantsoa no nandray ny iviny ny 11 hatramin’ny 14 septambra. Na i Toamasina aza no handray ny ivon’ny fankalazana amin’ny taona ho avy ; tsy manakana, ary amporisihina mihitsy aza ny hisian’ny firavoravoana isam-paritra sy isan-tokatrano » hoy ny mpitahiry ny hasim-piandrianan’i Madagasikara ao amin’ny tranoben’Imerina Ambohimanga Robert Randrianantoandro. Tsy tokony hiadian-kevitra intsony ihany koa ny mahakasika ny fanandroana na ny fanisanandro na vaninandro, noho ny fanapahana niarahan’ny Raiamandreny ara-drazana maro an’isa ary to teny avy amin’ny foko 22 manerana ny nosy, hoy izy, mba tsy hanakorontanana ny efa milamina.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT