Tontosa ny 14,15 ary16 jona lasa teo teny Anosimanjaka ny Taom-baovao eto Imerina andiany faha-2 izay ankalazain’ny fikambanana Zanadranavalona tarihan’ny filohany, ny Andriana Ravelonarivo Alain Eddie, efa nandritra ny 443 taona izao.
Ny andron’ny zoma 15 jona 2018 no ivon’ny fankalazana. Natao avokoa ireo fombafomba fanao hatramin’ny andron-dRalambo mpanjaka ho amin’ny fanatanterahana azy, toy ny fandroana sy ny harendrina ary ny famonoana omby volavita ho hasin’ny taranaka sy ny fitsofan-drano ary koa ny fanomezana ny nofonkena mitam-pihavanana ho an’ny vahoaka. Teo koa no namaranana ny hetsika ny ady hiragasy malaza.
Novàna ho « Taom-baovao eto Imerina » nanomboka tamin’ny taon-dasa 2017 ny fiantsoana ny « Taom-baovao Malagasy » fanao teny Anosimanjaka nankalazain’ireo tarana-dRanavalotsimitoviaminandriana noho ny fifanelanelanana nataon’ny KMTM (komity mpanomana ny Taombaovao Malagasy iombonana) nanomboka ny taona 2016 vokatry ny fifanolanana teo amin’ny mpikarakara hetsika Taombaovao teto imerina sy ny tsy faneken’ireo faritra hafa eto amin’ny nosy ny fankalazana tsy iraisana « ho an’ny Malagasy »rehetra. Tamin’izany no teraka ny fankalazana iraisana ny taom-baovao izay atao isaky ny lohataona ka natomboka teto Imerina ny tsinambolan’ny 22 septambra 2017, izay nanaovana fanamarihana tao Betafo Antsirabe narahin’ny vovonana teny Ambohimanga ary nananganana tsangambaton’ny firaisam-pirenena teny amin’ny kianjan’ny fahaleovantena Analakely. Andriana avy amin’ny Faritra maro no nanotrona an’ity Taom-baovao eto Imerina 2018 ity ka teny Anosimanjaka ihany koa no nanaovana ny fanasana ho an’ny rehetra amin’ny fanotronana ny « Taombaovao iraisan’ny Malagasy » hotanterahina any Fianarantsoa ny tsinambolan’ny volana septambra 2018 ho avy izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.