Nomen’Ambatovy hazo efa niasa, toy ny vata sy palety ao amin’ny toeram-pitrandrahany ao Moramanga, havadika ho fanaka ny FIMIAM na ny fivondronan’ny fikambanana tantsaha.
Efa ny taona 2017 moa, raha ny fanazavana, no niatombohan’izao fiaraha-miasa izao. Manampy amin’ny fanatsarana ny faripiainan’ireo tantsaha izany satria ireny akora ireny dia nahafahan’ireo mpikambana namokatra fihariana hafa toy ny fanaovana fanaka ilaina andavanandro. Misy amin’ireo mpikambana, hoy ny filohany, Edmond Ratovonary, no efa nahatafatsangana ny orinasany manokana mihitsy. Ho an’ny fikambanan’ireo vehivavy Mendrika dia notoloran’ity orinasa ity milina fanjairana izy ireo ny taona 2017 io ihany ary ankehitriny, hoy ny filohany ao Morarano, Haingo Vololona Raholiharimanana, dia efa afaka mampiroborobo samirery ny fihariany avy ireo mpikambana miisa 27. Ny iray amin’izy ireo aza efa nahavita nanokatra fivarotana ho azy ao Morarano Gara. Ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireto vehivavy ireto mikasika izay fitantanana izay moa no kasaina ho vina manaraka, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.