kolontsaina

Tantaram-pirenena Nahatety vanim-potoana maro i Michel Rakotobe


  • Alarobia 17 Aprily 2019

Mampiranty ireo sary mifandraika amin`ny tantaram-pirenena etsy amin’ny CEMDLAC Analakely nanomboka omaly talata 16 aprily Rakotobe Michel. mpaka sary an-gazety sady arsivista. Manodidina ny 500 isa ireo sary ampirantiany hatramin`ny sabotsy 20 aprily ho avy izao. Tamin’ity indray mitoraka ity dia mifototra kokoa amin’ny fankalazana ny 29 martsa ny fampirantiana. Hita ao ireo sary sy lahatsoratra an-gazety nivoaka tamin’izany.

 

Eo ihany koa ireo sary sy lahatsoratra an-gazety tamin’ny fankalazana ny 29 martsa tamin’ireo fitondrana nifandimby. Nahatety vanim-potoana sy toerana ary faritra maro sady niaina tao anatin`ny fivoarana sy fiovaovan`ny fitaovana sy ny teknolojian`ny fakana sary izy. Teo amin`ny faha-13 taonany no nanomboka nanangona sary sy lahatsoratra an-gazety izy. Tamin’ny taona 1980 kosa no niditra teo amin’ny asa fanaovan-gazety ka naka sary ny zava-nitranga nanamarika ny firenena samihafa. Saika azony sary avokoa ny ankamaroan`ireo hetsika lehibe teto amin`ny firenena. Nampanantena i Michel Rakotobe fa mbola hisy ny fampirantiana ny tantaran’ny firenena hafa. Saika nakany sary avokoa ireo tranga, kolontsaina, toekarena…. niseho teto amin`ny firenena ary sary ana hetsiny no voangony tao anatin’ny fotoana nidirany teo amin’ny asa fanaovan-gazety. Mampiavaka azy amin’ireo mpaka sary an-gazety hafa ny fanatrehany izay zava-nitranga rehetra teto an-tanindrazana, na tsy mifanaraka amin’ny foto-keviny aza ny mpitondra ka hananany sary feno ny amin’ireo zava-nitranga nanamarika ny tantaran’ny firenena. Ny fampirantiana toy izao dia  anisan’ny manampy betsaka ny mpianatra hahalala ny tantara sy ny zava-nisy teto Madagasikara.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT