Tantara an’onjam-peo lalaovina an-tsehatra

Liana ny olona, in-droa niditra ny fampisehoan'ny Iray Fy'Art


  • Alakamisy 29 Aogositra 2024

Niavaka tamin'ireo fitetezam-paritra nataon'ireo mpilalao tantara amin'ny onjampeo Iray Fy'Art

ny seho notanterahina tao Moramanga ny alahady teo, hoy ny fampitam-baovaon’ny Iray Fy’Art omaly. Marobe ireo mpankafy tsy tafiditra, hoy ny fanazavana. "Tena feno hipoka sy efa mitsangana daholo ireo mpijery tonga ato amin'ny Tranoben'ny kolontsaina eto Ambohibary. Mbola milahatra lavabe anefa ireo mpijery ka tsy maintsy naka fanapahan-kevitra izahay ny hanaovana ny fidirana faharoa amin'ny seho ataon'ny Iray Fy'Art", hoy ny mpikarakara. Notanterahina izany ka nirava tamin'ny 4 ora mahery ny seho voalohany, raha tamin'ny 6 ora sy sasany kosa vao nirava ny andiany faharoa. Tsy nanova ny fampisehoan'ny tarika izany na teo amin'ny kalitao sy ny lafiny tekinika na ny vontoatin'ny tantara sy ny hafatra tiana ampitaina amin'ireo mpankafy. Nanomboka tamin'ny hira famantarana ny Iray Fy'Art sy ny seho natao ka hatramin'ireo fampihomehezana eny anelanelan'ny tantara izany. "Tena matihanina ry zareo ireto... Voafehiny tanteraka ilay filalaovana tantara, indrindra ny eny an-tsehatra", hoy ireo mpankafy. Marobe ireo mpankafy avy eo an-toerana sy ny avy lavitra efa tonga mialoha ankoatra ireo efa namandrika toerana. Eo koa ilay fitiavana te hifanakaiky amin-dry Faly, Rakoto, Synèse sy ry Antsa Ravaka, Niravo sy i Bruno Rakotomalala. Miha liana amin’ny tantara amin’ny onjapeo lalaovina an-tsehatra ny olona, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT