kolontsaina

Tantara an-tsehatra Tamaboho Nanasongadina ny kolontsaina Malagasy


  • Alatsinainy 22 Mey 2017

Fahombiazana tanteraka no azo tamin’ilay tantara an-tsehatra tamaboho andiany voalohany notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny herinandro teo.

  Nanokatra izany tamim-pomba ofisialy ny lefitry ny filohan’ny Antenimieram-pirenena niaraka tamin’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar izay mpanohana ofisialy ny hetsika. Naharitra ora iray sy sasany ny hetsika. Anisan’ny nahavariana ny mpijery ny fahaizan’ireo mpilalao nitana ny anjara toeran-dRabearivelo, olo-malaza iray anisan’ny nanana ny naha izy azy tamin’ny fotoana nitantanan-dRanavalona I ka hatramin’ny fanjanahantany. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Airtel Madagascar, Maixent Bekangba, fa afa-po tamin’ny tantara izy ireo.  Nanasongadina ny kolontsaina Malagasy tanteraka mantsy sady nanome lesona ireo taranaka aty aoriana ihany koa. Hanohana ireo tanora manan-talenta eto amintsika ny Airtel manomboka izao, anisany ireo mpandray anjara ao amin’ny tantara an-tsehatra Tamaboho. Ny 18 hatramin’ny 26 mey ho avy izao dia hiaraka amin’ireo olobe mpanao tantara an-tsehatra eto amintsika ny Airtel. Hisy mandritra izay ny fihaonana an-databatra boribory hiarahany amin’ireo mpanoratra.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT