Tantara amin’ny onjapeo entina an-tsehatra

Ho eny Antanetibe Mahazaza ny Iray Fy’Art


  • Zoma 22 Martsa 2024

Hanokafan'ny tarika Iray Fy'Art ny fampisehoany amin'ity taona ity

ny fiakarana an-tsehatra eny Antanetibe Mahazaza, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Hotanterahina ny alahady izao, amin'ny 1ora tolakandro, eo anoloan'ny "Cantine" CEG Mahazaza izany. Lohatenin'ny seho hataon'izy ireo ny hoe "Ny herin'ny vola". Tantara maneho ny fiainana an-davan’andro ifanjevoan'ny resa-pitiavana sy ny tazon-karena. Eo koa ireo trangam-piarahamonina iainana amin'izao fotoana izao sy ny fampihomehezana eny an-tsefantsefan'ny tantara eny. Hitondra izany eny an-tsehatra ireo mpilalao tantara amin'ny onjam-peo ahitana an'i Niravo, Antsaravaka, Rakoto, Faly, Synèse. Hisahana ny fandrindrana ny seho sy ny lafiny teknika ary ny fanentanana kosa, i Bruno Rakotomalala. Hifanakaiky kokoa amin'ireo mpankafy izahay amin'izany seho izany. Heno anaty onjem-peo foana ny feonay fa amin'izao kosa tena hifanatrika sy hifampitakosona amin'ireo mpankafy sy ny mpanaraka tantara izahay, hoy izy ireo. Tafiditra amin'ny faha 45 taonan'ny CEG Antanetibe Mahazaza izao fampisehoana izao. Mikarakara izany ny biraon'ny maintiomaly sy ireo ray aman-drenin'ny mpianatra. Hitohy hatrany ny seho ataon'ny Iray Fy'Art ka any Andraikiba, Antsirabe, izy ireo ny 21 aprily. Any Arivonimamo ny 28 aprily ary ny 5 may kosa eny Manankasina Fenoarivo, raha ny fandaharam-potoana nozaraina hatrany mikasika ity tantara amin’ny onjapeo entina an-tsehatra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT